You are here

Fifampiarahabana tratry ny taona 2009.

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 18/01/2009 - 08:01

Ilazana isika Malagasy rehetra, fa ny fihaonana HIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA 2009 dia ny alahady 18 Janoary 2009 eny amin'ny Masera Piccole serve del Sacro Cuore, Via ADRIANO BALBI, 15.

Ilazana ary isika Malagasy rehetra tsy vakivolo tsy an-kanavaka, fa hisy ny fihaonantsika Malagasy rehetra HIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA 2009 ny alahady 18 Janoary 2009 ho avy izao ao amin'ny tranon-dr'i Masera Piccole serve del Sacro Cuore, Via ADRIANO BALBI, 15.

Ny fahatongavana moa dia manomboka amin'ny 10ora satria ny kristiana katolika dia hisy lamesa alohan'ny fotoam-pivavahana amin'ny 11 ora. Samia mitondra sakafo ampy tsara hifampizarana amin'ny namana rehetra. Manantena ny fahatongavantsika maro. Misaotra betsaka. 
E specialmente per le nostre Suore che ci avranno accolto nella loro casa tanti tanti grazie! 

Toy izao ny fomba hahatongavanao any:
- Raha miala avy amin'ny San Pietro dia maka ny Bus Num81 sy 19 Dia midina ao amin'ny arret Santa Elena na SuperCarne Fermata Giovenale.
- Raha avy eny Termini dia Bus 105 na  tram 14 na 5 izay azo alaina koa ao amin'ny piazza Vittore Emmanuele.

                                        
 
 
Mr. Rado sy Fr. Vincent OssT
Mpitan-tsoratra sy lefitry ny Ankohonana Victoire RASOAMANARIVO