You are here

Festa dei Popoli 2015

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 27/04/2015 - 18:48

Ny alahady 17 mey ho avy izao indray izany no hifamotoanantsika eny amin'ny Piazza San Giovani in Laterano toy ny isan-taona. "Chiesa senza frontiera" ny lohahevitra entin'ny Festa dei Popoli amin'ity andiany ity.

Mandray anjara feno hatrany i Madagasikara, noho ny Ankohonana katolika malagasy anatin'ny fivondronan'ny "chiesa etnica" ao amin'ny diosezin'i Roma. 

Manantena antsika ho tonga maro, amin'ny fitafy malagasy mahazatra antsika. Efa miranty ny maraina ny tranohevantsika ka miandry antsika ao ny mpiandraikitra.

Amin'ny 12 ora kosa ny lamesa lehibe ao amin'ny bazilika ka "Ranombavaka" roa amin'ny teny malagasy no anjarantsika.

Ny tolakandro dia ny "Terak'i Fianarantsoa" (Te.Fi) no hanandratra avo ny vakodrazantsika eny ambony lampihazo ka tandremo sao tara kidodo.

Misy hatrany ny sakafo karakarain'ireo firenena hafa izay amidy mirary eny an-toerana, fa isika koa afaka mitondra hatrany ny masaka hifampizarantsika eo ambany alokaloky ny bazilika - fomba izay mbola tsy hita ny maharatsy azy.

Ilazao ny rehetra, ampitampitao ny vaovao, tongava maro  hiala voly sy haneho ny maha-malagasy antsika.