You are here

Fanasana : fifanakalozana firariantsoa ao amin'ny Masoivoho amin'ny alahady 11 febroary 2018

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 31/01/2018 - 17:33

 

 

Araka ity fanasana ampitaina eto ambony ity, dia fifaliana ho an'ireo mpiara-miasa ao amin'ny masoivoho malagasy eto Roma ny hihaona amintsika zanak'i Madagasikara am-pielezana atý Italia mba hifanakalo ny firariantsoa amin'izao taona vaovao tratrantsika izao, satria tsy mba afaka nitsena azy niaraka isika tamin'ity indray mitoraka ity. Tsy isika malagasy irery anefa no asaina amin'izany fa ireo namana vahiny mpifanerasera sy mpiara-miombon'antoka amintsika ihany koa.

Amin'ny alahady 11 febroary ho avy izao, manomboka amin'ny 1 ora antoandro ny fotoana eny amin'ny foiben'ny Masoivoho eto Roma, via Riccardo Zandonai 84.

Ary satria anatin'ny fotoanan'ny "carnaval" io andro io ka dia afaka misalotra fanamiana sy manova endrika avokoa na ny ankizy na ny lehibe fa hilalao tokoa isika, toy ny efa nataontsika indray taona izay (jereo ATO). Rehefa maro manko ny mandray anjara dia mainka mahafinaritra ny fiarahana ka manentana e, indrindra isika lehibe.

Toy ny mahazatra dia mba samia mivimbina izay voarambin'ny tanàna isika hifampizarantsika am-pirahalahiana, indrindra ny zava-pisotro, fa rizareo Zoky Raiamandreny kosa dia hanolotra ny nofon-kena mitam-pihavanana izay ho atonontsika.

Somary efa antomotra ny fotoana ka ampitampitao dia manantena hifanatri-tava tsy ho ela izany.