Fanasana avy amin'ireo mpanao baolina hiatrika ny Mondialido 2012
Ireo namana mpilalao baolina eto Roma di manasa antsika rehetra tsy an-kanavaka hiara-hisakafo sy hilanonana amin'izy ireo ny alahady 15 Aprily 2012 ho avy izao, manomboka amin'ny 12 ora atoandro, izay hatao ao amin'ny Masoivohon'i Madagasikara, Via Riccardo Zandonai, 84/A.
Izao no atao dia mba hangatahana tanàna antsika rehetra amin'ny fanohanana ny ekipantsika hiatrika ny MONDIALIDO 2012 eo amin'ny lafiny ara-pitaovana sady araraotina ihany koa ho fotoana hihaonana toy ny mahazatra hatrany.
Isaorana eram-po eran-tsaina sahady ianareo izay afaka ho avy fa ny adidy ho vita ny fahafinaretana ho azo. Tsy ifanomezan-tsiny ihany koa ho an'izay tsy afaka sy lavitra fa mbola ho zokin'ny aoriana izy ity e.
Taomy avokoa ny tapaka sy namana, tongava maro !

Comments:
1. Edy
What i do not understood is in fact how you're not alrley a lot more smartly-favored than you might be right now. You're so intelligent. You already know therefore considerably relating to this matter, produced me personally believe it from so many various angles. Its like women and men don't seem to be interested except it's something to do with Lady gaga! Your individual stuffs great. All the time handle it up!