Fanamboarana pasipaoro vaovao atao eto Roma ny 8 sy 9 janoary 2012
Ny mpiandraikitra ao amin'ny Masoivohom-pirenena malagasy eto Roma dia mampilaza fa amin'ny ALAHADY 8 JANOARY sy ALATSINAINY 9 JANOARY 2012 ho avy izao dia andro natokana hanamboaran'ireo teratany malagasy monina eto Italia manontolo ny pasipaoro vaovao ho an'izay mbola tsy manana izany.
Eny amin'ny Foibe, via Riccardo Zandonai 84, eto Roma no
hanatanterahana izany. Mbola hampitaina amintsika amin'ny andro
manaraka ihany ny vaovao fanampiny sy ny momba ireo taratasy rehetra
ilaina, fa dia efa ataovy anaty tetiandro aloha ireo andro roa ireo.
Mba ampitao amin'ny hafa izay tsy manana mailaka ihany koa ny vaovao azafady indrindra. Misaotra mialoha.
Mirary fety sambatra, mirary soa amin'ny taona vaovao.
Fanampiny:
Ankoatra ireto antontan-taratasy angatahana eto ambany ireto dia misy taratasy fangatahana fenoina mila alainareo ato ihany koa : http://www.malagasy.it/
Ny fanontaniana roa nipetraka mazàna moa zany dia efa voavaly amin'io fanambarana io ambony io : momba ny sora-pahaterahana sy ny fizakana ny zom-pirenena malagasy.
Ankoatra izay, ny livret de famille kosa izany dia tsy mahakasika anareo pretra sy ianareo relijiozy na lahy na vavy.
Na manavao na maka pasipaoro vaovao dia mila ilay "certificat de nationalité" ireo avokoa
Isaorana indrindra ireo zoky raimamandreny ao amin'ny masoivooho eto Roma tsy mahalala sasatra fa dia manaiky hokotabaina hamaly antsika na efa ampototry ny fety aza ny andro.
Soavà daholo.


Comments:
1. Rondro
Fisaorana avy amin'ireo mpiandraikitra ao amin'ny Masoivohompirenen'i Madagasikara eto Roma.
____________
Faly miarahaba ny Malagasy rehetra eto Italia,
sady faly miarahaba anareo tratry ny taona 2012 ihany koa.
Vita soa aman-tsara ny fanaovana sy ny fanavaozana ny pasipaoro malagasy teto amin'ny Ambasady ny alahady sy ny alatsinainy teo.
Ny masoivoho dia misaotra eram-po eran-tsaina ireo rehetra izay nanampy tamin'ny fanaparitahana ny fampilazana.
Misaotra betsaka indrindra, sitraka enti-matory ny nataonareo ka ho valiana raha mahatsiaro.
Isaorana ihany koa ireo teratany Malagasy maro mpiray Tanindrazana rehetra nanohina ny antso ka tonga nanavao na nanamboatra ny pasipaoro.
Santatra am-bavarano ireny tompoko fa hodinihina hatrany ny mba hiverenan'ireny indray araka izay fahafahana manao izany.
Mirary soa ho anareo tsirairay avy.