You are here

Carnaval sady fanaovana asa-soa.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 21/01/2009 - 10:18

Ny Fikambanana Gialuma Onlus dia mikarakara Carnaval izay hanasana antsika rehetra ny 21 febroary 2009 amin'ny 8 ora sy sasany alina eny Ariccia, Palazzo Chigi (Sala Maestra).

Ny Fikambanana Gialuma Onlus, izay manao asa soa amin'ny sehatry ny fitsaboana any Madagasikara (Tanjombato, Faradofay, Mahajanga) dia mikarakara Carnaval izay hanasana antsika rehetra ny alin'ny 21 febroary 2009 hanomboka amin'ny 8 ora sy sasany alina eny Ariccia, Palazzo Chigi (Sala Maestra).

50 euro isam-batan'olona ny vidim-pidirana ary inoan' izy ireo ny fahafaham-pon'ny tsirairay amin'ny sakafo sy ny hira mivantana hanafanana ny lanonana.

Marihina fa ny tetikasan'ny Fikambanana amin'ity taona ity - izay eo ambany fiadidian'ny Istituto di Parassitologia dell'Università degli Studi di Roma, la Sapienza - dia ny hiady amin'ny bilarziozy any Amboasary atsimo ka ny fandraisana anjaran'ny tsirairay amin'ny tapakila iray dia mahavonjy zaza 30 anatin'ireo olona 80.000 sahanin'ny tetikasa. Koa manentana antsika rehetra ary !


Izay mila fanazavana fanampiny sy hividy tapakila dia afaka miantso na manoratra mivantana amin'i :

Andry Rakotomavo :

andry@tetezanaonlus.org 

tel : 347-1432921