You are here

Antso avy amin'ny aumonerie katolika.

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 13/01/2009 - 16:15

Araka ny sata mifehy ny EKAR dia entanina handray anjara mavitrika araka ny fanomezam-pahasoavana ananany ao amin'ny Fiangonana na Ankohonana na Paroasy misy azy ny olona tsirairay.

Indro ampitaina eto ny hafatra avy amin'ny lehiben'ny aumônerie katolika malagasy eto Italia.

__________________________________________

 

FANOMANANA NY FIFIDIANANA HATAO NY 25 JANOARY 2009

 

Araka ny sata mifehy ny EKAR manerana ny tany sy ny any Madagasikara, dia entanina handray anjara mavitrika araka ny fanomezam-pahasoavana ananany ao amin'ny Fiangonana na Ankohonana na Paroasy misy azy ny olona tsirairay (vita batemy na batisa, ary ny katakomena).

Noho izany dia amporisihina ny vondron'olona na fikambanana tsirairay sy samihafa mba samy hanolotra ny kandidàny, hahafahana manao ny fifidianana malalaka sy ara-dalàna ary amin'ny fomba mifandraika amin'ny toetr'andro ankehitriny. Amporisihina koa ny rehetra mba ho tonga handray anjara mavitrika amin'ny fanatontosàna ny fifidianana ny alahady 25 janoary, ialohan'ny Lamesa fiantsoana ny Fanahy Masina, amin'ny 10 ora tsy diso, koa tokony ho tonga aloha arak'izay azo atao isika mba tsy hampitarazoka ny raharaha.

Ireto avy àry ireo vondron'olona tsy maintsy manolotra Kandidà (2 na 3 avy) tsy voatery ho Malagasy foana ny kandidà saingy tsara raha mba olona mahay miteny malagasy, ary tsara raha efa azonay amin'ny alahady 18 janoary ny olona hatolotrareo:(Marihina fa olona monina eto Roma sy afaka hamonjy fivoriana hisolo tena azy ireo no hatolony).

HAKANA NY KOMITY (BIRAO MAHARITRA: ny filoha [lahika], ny filoha-lefitra, ny mpitantsoratra roa, ny mpitam-bola roa [relijiozy na pretra sy lahika, araka ny sata mifehy antsika, momba ny mpitam-bola lah.2], MPANOLO-TSAINA) SY IREO MPIANDRAIKITRA NY VAOMIERA ISAKARAZANY, misy 4 (1.finoana, 2.fitantanana, 3.kolontsaina, 4.fifandraisana sy fiarahamonina).

 

* MBA TSY HAMPIFANDISO NY RESAKA DIA MARIHINA ARY TSARA HAZAVA FA OLONA TSY AZON-TSAMPONA (mandray Komonio, vita mariazy tany am-piangonana) NO TSY MAINTSY FIDINA HO FILOHA SY LEFITRA ARY MPITAM-BOLA. Ny ao amin'ny Voamieran'ny Finoana koa dia torak'izany. Miandraikitra ny vaomieran'ny fitantanana ireo lany ho mpitam-bola, miahy ny sampana ho an'ny fampitaovana kosa izay lany ho amin'io Vaomiera io. *

(Ny atao hoe sampona [impedimenti] dia ireo sakana tsy ahafahana mandray ny Eokaristia  (Komonio) ara-dalàna noho ny tsy fahavitan'ny Mariazy ara-dalàna tany am-piangonana na noho ny fandikàna ny iray  amin'ireo lalàna lehibe mifehy ny Fiangonana ka iharan'ny atao hoe "pena latae sententiae" ilay olona amin'izany, dia tsy avelan'ny Fiangonana hitana ireo andraikitra tena saro-pady ny amin'ny famoriana sy famonjena ny vahoakan'Andriamanitra izy amin'izany mandra-piovany tanteraka indray hanaraka ny toe-piainana maneho ohatra tsara).

Ny fivondronamben'ny lahika katolika manerana an'Italia (2 na 3)

Ny fivondronamben'ny lahika katolika eto Roma (2 na 3).

Ireo mpiasam-panjakana (katolika) eto Roma sy Italia (2).

Ireo katolika mivondrona ao amin'ny serasera “malagasy.it” (2).

Ireo katolika mivondrona ao amin'ny “Zanak'i Gasikara” (2).

Ireo relijiozy vavy rehetra miara-mivondrona (2 na 3).

Ireo pretra sy relijiozy lahy mitambatra (2 na 3).

Ireo katolika ao amin’ny fikambanana “Tetezana” (2).

Ny fikambanana “Fraternità” (2).

 

Ankoatr'ireo dia ilaina ny hanomezanareo tolo-kevitra hanatsarana ny fomba fanatanterahana ny fifidianana; raha misy fikambanana hafa tsy volaza fa tsy fantatray, ialana tsiny, dia aoka mba hanambara haingana.

 

Samia ho tahin'Andriamanitra!


P. Rabenirina Joseph