You are here

Antso avo : Hiombom-bavaka.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 28/01/2009 - 14:49

Manao antso avo ho antsika Malagasy rehetra eto Roma ary Italia mba hiaraka hivavaka ho an'ny Tanindrazana sy ny Vahoaka Malagasy ny alakamisy 29 janoary amin'ny 6 ora sy sasany hariva ao amin'ny Fiangonana san Macuto.

Miarahaba antsika mianakavy amin'ity marainan'ny alarobia 28 janoary 2009 ity.

Noho ny zava-miseho any amin'ny tanindrazantsika dia manentana antsika malagasy mpiray tanindrazana sy mpiara-mivavaka rehetra mba ho tonga hanolotra sorona masina ho fangataham-pitahiana amin'ny Tompo hoan'ny firenentsika fa indrindra ireo Malagasy iray rà amintsika ianjadian'izao loza mahatsiravina izao. Ny zavatra voalohany azontsika atao aloha izao dia ny mivavaka sy mifady hanina.

Koa manantena sy manasa antsika mianakavy ho tonga maro hiara-mivavaka ao amin'ny Fiangonantsika San Macuto, Via del Seminario 120 amin'ny 6 ora sy sasany hariva ny Alakamisy 29 janoary 2009 ho avy izao.

Misaotra antsika rehetra. Misaotra an'i Mompera Aumônier nandefa ny hafatra aty aminay.


Ny Ankohonana  Victoire Rasoamanarivo.

 

 

(Ampatsiahivina ireo izay mandeha fiara manokana fa ny faritra ZTL dia misokatra amin'ny 6 ora hariva ka amin'izay vao afaka miditra izay tsy manana fahazoan-dàlana).