You are here

Andron'ny Malagasy eto Italia

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 05/06/2015 - 21:24

Ny Fikambanana "Tetezana Onlus" sy ireo vondrona isan-tsokajiny eto Italia dia manasa anareo am-panajana hanotrona ny hetsika karakarainay ny asabotsy 13 jiona manomboka amin'ny 4 ora sy sasany tolakandro, sy ny alahady 14 jiona manomboka amin'ny 1 ora tolakandro eny amin'ny Via Firenze 38, Roma (foiben'ny Chiesa Metodista).

Ny fiainampiainantsika Malagasy eto Italia - mpianatra, mpiasa, renim-pianakaviana, fikambanana, sns - no ho resahana sy hasongadina amin'io fotoana io. Mba ho fanehoana ny maha-Malagasy antsika dia iangaviana indrindra mba samy hiezaka hanao fitafiana malagasy isika. Asao ny namana tompontany sy avy amin'ny firenen-kafa.

Na ny asabotsy na ny alahady dia samy 10 euro ny fandraisana anjara. Fa araka ny fandrindrana dia tsy mandoa fandraisana anjara isika Malagasy ny asabotsy fa mba angatahana an-tànan-droa hivatsy zavatra azo aroso amin'ny "aperitivo solidale" (ohatra : mofo anana, nems,  sambos, mofo baolina, mofo akondro, ... )

Ny alahady kosa dia fiaraha-misakafo - "pranzo di solidarietà" - ka amin'io isika vao hanome ny fandraisana anjara 10€.

Manantena ny fahatongavantsika maro sy ny fandraisantsika anjara mavitrika amin'ireo andro roa ireo. Mifampilazà fa somary efa taratara vao voampita ny hafatra ka ialana tsiny.