You are here

Alahady 17 mai nankalazana ny Festa dei Popoli.

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 31/05/2009 - 22:13

Teny amin'ny "piazza San Giovanni in Laterano" indray no nifamotoana omaly alahady 17 mey ny mpianakavy avy amin'ny vazantany efatra nandritra ny fankalazana ny "Festa dei Popoli 2009".

Teny amin'ny "piazza San Giovanni in Laterano" indray no nifamotoana omaly alahady 17 mey ny mpianakavy avy amin'ny vazantany efatra, niara-nivavaka tao amin'ny Bazilika, niara-nikorana, nitotorebika, nisakafo nandritra ny fankalazana ny andiany faha-18 amin'ny "Festa dei Popoli", izay nokarakarain'ny fikambanan'ny misionera "Scalabriniani" eto Roma. Ny lohahevitra tamin'ity taona ity dia "Roma con altri occhi" : Ny Tanàna sy ny Fiangonan'i Roma mahay mankafy ny zava-baovao, mahay mijery sy mifampizara ny tanjona kendreny eo amin'ny hahatsara hatrany ny ho avin'ny taranaka, mahatsiaro tena ho tompon'andraikitra eo amin'ny fiaraha-moniny avy.

Nafana ny andro nibaliahan'ny masoandro, endrika mirana no nifanatsafan'ireo teratany isan-karazany sy ireo Romana sy Italiana tompon-tany nihaona tao, nifampizarana traikefa, nifanomezana soso-kevitra, nifampiresahana ny fiainana andavan'andro amin'ny maha-samy mpihavy nefa mponina ihany koa eto Roma, nifampizarana ihany koa ny kolotsaina teo amin'ny lafiny dihy, fitafy, sakafo mampiavaka ny tsirairay.

Ny Lehiben'ny tanànan'i Roma moa dia nandefa ny Mpanolotsainy manokana, On. Rocca hisolo tena azy, izay nanantitrantitra ny fahavononan'ny Tanànan'i Roma hifampidinika hatrany, hihaino ny hevitry ny tsirairay ary hiaraha-miasa mba hamahana izay olana mety hitranga sy hampirindra ny fiarahamonintsika mpihavy sy zareo tompon-tany.

Ankoatra ny fampirantiana tamin'ny asa-tànana malagasy dia isan'ny nampiseho ny dihintsika tao koa izy efatra mirahavavy : Tsiry, Laliva, Malala ary Lolita izay isaorana eram-po eran-tsaina tsy nampitsanga-menatra fa tena nitondra avo ny faneva malagasy.

Dia misaotra hatrany ireo nahafoy fotoana, nahafoy vola aman-karena, tsy nitandro hasasarana nikarakara izany, tsy tamin'ny fampirantiana fotsiny ihany fa tamin'ny tohan'aina nifampizarana tao.

Misaotra ireo rehetra nanatrika sy nanafana ny teny ambony bozaka ihany koa fa raha tsy tonga nanotrona isika dia tsy ny Ankohonana katolika Victoire Rasoamanarivo ihany no latsa-danja fa i Madagasikara mihintsy.

Misaotra misolo tena hatrany ny Firenentsika, misaotra manome voninahitra azy hatrany. Tsy hifampiandrasana sy tsy hifanjanana ny adidy raha tiantsika hirehareha i Madagasikara. Ary toy ny mahazatra moa dia ny adidy vita ary ny fahafinaretana azo hatrany.

Misaotra ny rehetra ary ho afaka havizanana haingana daholo anie fa mbola betsaka ny miandry.

Ny sary sy ny horonantsary dia azo jerena ato amin'ny tahirintsary.