TAPANY VOALOHANY : teny amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera, nandritra ny sorona masina manetriketrika nanambarana tamin'ny fomba ofisialy ny maha-Olomasina azy fito mianadahy dia ireo pretra roalahy dia mompera Jacques Berthieu sy Giovanni Battista Piamarta, ireo masera mirahavavy dia i Marianne Cope sy Carmen Salles y Barangueras, ary ireo lahika telo mianadahy dia i Kateri Tekakwitha, Pedro Calungsod ary Anna Schaffer.
Dia niara-nizotra nankeny amin'ny collège Bellarmino... sy niaraka niandry hani-masaka :)
TAPANY FAHAROA : fetim-pianakaviana niarahana nankalaza ity andro lehibe ity, izay nato tao an-tokotanin'ny collège Bellarmino, toerana misy ihany koa ny foiben'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo.
Nska ny sary : Andry, Rondro, Hery, Martin Eric, Stène. Dia isaorana sahady izay mbola manana sary tiana zaraina ka handefa izany aminay.