Tu sei qui

Koranam-pianakaviana nanamarihan'i Haingotiana ny faha-50 taonany.

Inviato da superadmin il Lun, 27/11/2017 - 21:57

 

Nahafinaritra tokoa ny takariva tany Sorrento, nanasan'i Haingotiana malagasy vitsivitsy, niara-nankalaza taminy ny faha-50 taonany. Vitsivitsy ihany tokoa satria tsy mora ny mikarakara izany na dia satriny aza ny hanasa ny rehetra. 

Takariva niavaka ilay izy satria nentiny nampisehoana tamin'ireo havana sy namana tompon-tany izany hoe kalon'ny fahiny malagasy izany, ankoatra ny totorebika izay efa manomboka ahalalan'izy ireo antsika. Naredona erý ireo hira tsy tontan'ny ela efa zary tsy mba afaka am-bavantsika, nahafinaritra ny nahita ny lamba landy nisalorana sy nisampinan'izy maro mianadahy notarihin'i Ramose Jojo, mpampianatra mozika , nahavolivoly ny feon'i Richard narahan'i Rindra teo amin'ny vata maroafitsoka raha nanao hiran'i Ossy izy ireo. Samy mpianatra ho matihanina amin'ny mozika eny amin'ny Conservatoires izy mirahalahy, i Richard Rasolonjatovo eto Roma ary i Rindra Ramarosandratana any Paris.

Tonga soa tatý Roma izahay ny alahady tolakandro na nangina aza ny antsasa-dàlana fa niesona daholo ny mpandeha cheeky.
Mbola manerinerina daholo tonga soa an-tokantrano avy, reraka kanefa feno fifaliana tokoa.

Tsy hay ny tsy hankasitraka an'i Haingo ary averinay etoana ny firariantsoa ho azy ho amin'ny 50 taona manaraka : fifaliana, fahasalamana ary soa sesehena. Dia afaha havizanana amin'izay fa dia afa-po izahay nasaina e !

Affettuosissimi auguri : i primi 50 anni eranno "Successo", i prossimi 50 saranno "Trionfo" !