Eto ianao : fandraisana > Forum

Visas

Lohahevitra : Hamangy aty Italie?
Fitohizan'ny hafatra : Visas
Valiny : 6
hery - 19/05/2016 18:43
Ho an’ireo izay te hitsangatsangana, na hianatra na koa hiasa aty Italie dia ireto no zavatra tena ilaina @ ankapobeany. NB: @ izao fotoana izao dia raha ho aty Italie dia any @ Ambassade de France na Allemagne no maka Visa raha tourisme. Raha motif hafa toy ny fianarana, asa,... dia any @ Amb... Continue reading
Valio | Miverina eny ambony
Myurah - 19/05/2016 18:43
Miarahaba tompoko!
Mba saika anontany azafady, izaho dia tovovavy 21 mana-pikasana ANDEHA ho any Italie, ny Antony dia ANAO au pair satria nisy famille nanaiky ahy HO fille aupair-any. Zareo nefa miteny amiko hoe izaho no tokony hijery ny dossiers rehetra ILAINA @Visa d zareo mandefa IZAY ILAINA fotsiny,marihiko fa efa maika tokoa zareo.ny tsy aiko anefa dia hoe aiza sy aiza AVY no aleha anaovana visa , consulat de France v sa aiza? Misy miteny mantsy hoe tsy misy consulat an'I Italie eto fa mandalo France FONA.misaotra sahady @fanampinareo!
Valio | Miverina eny ambony
hery - 19/05/2016 21:34
Salama,

Raha ny fahazoako azy aloha dia any amin'ny ambassade de France no maka visa mandeha aty Italia. Raha ohatra anefa ka efa misy an'izany resaka fampanantenana asa izany dia tokony afaka mifampiresaka amin'ny ambassade italiana any Pretoria ilay mpanome asa manontany ny tokony hatao.
Valio | Miverina eny ambony
Myurah - 20/05/2016 03:46
Salama ,
Misaotra indrindra !
Valio | Miverina eny ambony
Christiania - 25/06/2016 07:24

Myurah
Salama ,
Misaotra indrindra !

Mandehana am consulat ao Ivandry e
Valio | Miverina eny ambony
ravao - 10/01/2018 15:24
Manahoana daholo,
Izaho saika mba hanontany ny fomba hiaviana any an italy fa maty tampoka ny vadiko nefa efa vita daholo ny taratasy tadiavina ary efa vita aradalana aty madagasikara sy any italy ny mariazy. Izy maty tamin'ny le 31 january lasa teo, nefa zaho mba te hahita ny nilevenany.
Mba mila vonjy aminareo fa very aho tsy haiko ny hataoko.
misaotra mialoha
Valio | Miverina eny ambony