Carnaval nokarakarain'ny Fikambanana Gialuma Onlus.
Nahafinaritra ny korana teny amin'ny Palazzo Chigi teny Ariccia ny alin'ny 21 febroary 2009 ; nanohina ny tehaka nandraisana ny solontena avy amin'ny fikambanana Tetezana Onlus sy ireo malagasy vitsivitsy raha niditra izy ireo ; naharavo ny fandraisan'ny Ben'ny tanànan'i Ariccia sy ireo mpiara-miasa aminy an'ireo solontena ireo ; samy afa-po na ny mpikarakara na ny nasaina.
Misaotra betsaka ny Fikambanana amin'izay rehetra ataony hanampiana ara-pahasalamana sy ara-tsosialy ireo sahirana any Madagasikara.
Amin'ny maha-fetin'ny carnaval azy moa dia mba fangatahan'izy ireo manokana ny nisalorana ireo fitafy mampiavaka ny Nosy.
Sombitsombin'ny lahateny nataon'i Luana Manocci, lehiben'ny Fikambanana Gialuma Onlus.
Fanazavana fohifohy ilay tetikasa "Ady amin'ny bilarziozy" ataon'ny Fikambanana Gialuma























































