Adiresy email @malagasy.it
Ny takelaka malagasy.it dia manolotra fampiasana mailaka ho an’izay mila izany.
Ny atolotra amin’izany dia adiresy toy izao : anarana@malagasy.it izay manana toerana malalaka 2Go.
Raha hijery ny mailakanao :
http://mail.malagasy.it (Vao niova!!!)
Fepetra arahina :
- tokony ho Malagasy monina eto Italie
- ny adiresy azonao amin’izany dia anarana@malagasy.it ka ny anarana dia tsy maintsy ho ny anarana na ny fanampin’anaranao. Tsy azo ekena ny solon’anarana.
Raha mahaliana anao izany, dia azonao atao ny manoratra ho anay amin’ny adiresy contact@malagasy.it miaraka amin’ny :
- anaranao feno
- ny adiresy misy ny fonenanao eto Italie
- ny nomerao azo hiantsoana anao mba hahafahanay manamarina anao
- ny adiresy mailaka tianao hampiasaina oh : anaranao@malagasy.it
Azonao atao koa ny miantso an’i Hery : 338 744 2412